Iray volana mahery izay no nanjavona tsy hita popoka i Andotiana, mpianatra ao amin’ny Oniversite Paris Nanterre. Nampiahiahy izany fanjavonana izany satria ny alin’ny 8 janoary dia mbola nifandray tamin’ny olon-tiany taty Madagasikara izy. Nifanome tànana ireo malagasy monina any Andafy, ary nanao izay heriny rehetra hahitana azy.

Indrisy anefa fa vaovao mampalahelo no heno anio maraina : nofo mangatsiaka no hita nitsingevana tao amin’ny renirano La Seine, manakaiky an’i Vitry-Sur-Seine.

Mirary fionona feno ary mitrotro am-bavaka ho an’ny Ray aman-dReny sy Fianakavian’i Andotiana. Mankahery ihany koa ireo izay niray fo sy saina nandritra ny fikarohana.

Etsy an-danin’izany dia ireto misy tranga mahagaga, herinandro lasa izay.


Maromaro ny olona nanome soso-kevitra mba hijerena ireny Medium na Voyante ireny. Izy ireny dia mampiasa tarot na boule de cristal na zavatra hafa koa mba hijerena ny ho avy na zavatra miafina. Maro no tsy nankasitraka izany fomba fanao izany ireo Kristiana hiringiriny. Tena nafotaka ny ady hevitra. Somary nivaona tamin’ny fitsikerana ny fototry ny finoana Kristiana izany, izay nataon’ny mpanjanaka fitaovana sy namotehana ny fivavahana nentim-paharazana.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nipoitra ny hafatra voalohany avy amin’i Saka Mainty :

Nanomboka teo dia nisesisesy ny fahitana nomen’i Saka Mainty, ary nampivarahontsana mihintsy ny sasany :

 

Ny tena nahazendana anefa dia ny fifanandrifian-javatra, araka ity voalaza manaraka ity :

Izany hoe Medium samihafa no samy nanambara zavatra mitovitovy.

 

Mahavariana indrindra fa ny alahady 10 febroary tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo dia nanambara i Saka Mainty :

zay no itako farany otriny rano bedebe , submergé d’eau

Mipetraka ny fanontaniana hoe tokony ho sokajiana anaty lalam-pikarohana eo anivon’ny tompon’andraikitra mpanao fanadihadiana ve ireny ?

Marihina etoana fa indraindray ny polisy any am-pitan-dranomasina dia mangataka ny fanampian’ny « voyante » rehefa tojo afera sasany.

Ny fahitana nambaran’i Saka Mainty mantsy dia milaza vehivavy iray mitapa-bolo, ho mpiray tsikombakomba nahavanona ity tranga mahatsiravina ity.

 

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
2%
J'adore
26%
WOW !
0%
Haha
1%
Je n'aime pas
71%
C'est triste