TANDREMO !

Tandremo ny aretin’ny « reins » satria dia tena andaniana vola tsisy ohatr’izany tokoa ny fahasimban’ny voa na reins any amin’ny dokotera.

Ireto ry zareo misy fahazarantsika 10 tena manimba sy mamotika ny « reins » tsika:

1- Mampiandry PIPY.

Tsy tokony miandry poritra be vao mipipy

2- Tsy fisotroana RANO tsara.

10 hatramin’ny 12 vera isan’andro. Ny mihoatra tsy ferana

3- Fitiavan-TSIRA.

Aza hatao masira loatra ny zavatra hoanina


4- Fihinanana « ANTALGIQUE » tafahoatra.

5- Fihinanana « VIANDE ROUGE » matetika.

In-3 isa-kerinandro ihany no tokony hinana « viande rouge »

6- Fisotroana « TOAKA » matetika sy be loatra.

7- Ny fifohana « SIGARA ».

8- Ny fisotroana « KAFE » matetika.

9- Ny tsy firarahiana ireto aretina andavanandro toy ny: SERY, KOHAKA, AMYGDALITE na ANGINE

10- Ny tsy fahampian’ny « TORIMASO ».

Tokony hatory 6 hatramin’ny 8 ora isan-kalina

Fambara mikasina ny aretin'ny voa

Fambara mikasina ny aretin’ny voa

Ireto kosa ny fambara fa marary « reins » ny olona iray:
1- FANDOAVANA MATETIKA
2- FANIMPANINA MATETIKA
3- OLANA ARA-PISEFOANA MATETIKA
4- ANÉMIE
5- ARERAHANA MATETIKA
6- FOFOM-BAVA TSY DIA TSARA
7- HIDIHIDY AMIN’NY HODITRA
8- HABETSAKA SY LOKON’NY PIPY HAFAHAFA
9- MARARY TAMPOKA ANY AMIN’NY VATANA TSY FANTAM-POTOTRA.
Isika mihevitra ohatra hoe niolam-pandry na nanao fihetsika tsy vohevitra tampoka anefa tsy tadidy hoe oviana ( douleur brutale dans le corps)
10- MARARY LAMOSINA SY EO AMBANY KIBO MATETIKA

Nihoron-koditra aho satria dia ny toaka sy ny sigara ihany no tsy ataoko amin’ireo. Aza atao ambanin-javatra ny fahasalamana fa zava-doza izany marary « reins » izany. Maro ireo fahazaratsika manimba izany « reins » izany ka aleo ry zareo misoroka toy izay mitsabo. Mino aho fa handray lesona kely isika ary hiezaka hanova ny fahazaratsika.

Manantena aho fa hizara an’ity ianao ho mariky ny fampitandremana ny manodidina anao.

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
79%
J'adore
12%
WOW !
4%
Haha
0%
Je n'aime pas
5%
C'est triste