Tena fahafaham-baraka tsy misy toy izany, dibo-drano ny seranam-piaramanidina Aéroport International Ivato io alina io nohon’ny rotsak’orana be teto Antananarivo.

Niparitaka tao amin’ny Facebook ity vaovao ity : araka ireto sary sy vidéo nalefan’i Patrick Jaosoa ireto (1000 partages tao anatin’ny 2 ora, 2200 partages tao anatin’ny 8 ora).


Fitiavana te hitsikera ve sa mahatsiaro menatra daholo ny rehetra ? Raha ny hetra sy ny fandoavana vola lafo mikasika ny services ao amin’izany Aéroport izany ve dia mendrika an’izao ity vavahady idirana sy ivoahana an’i Madagasikara ity ? Niteraka resa-be hatrany ny fiadivana ny fitantanana azy ity. Izao ve sisa no foto-drafitrasa ? Sa misy manipulation na tanjona manokana tiana hahatongavana ?

Indrindra moa fa ny Aéroport International Ivato dia tafiditra ao anatin’ny Projet Présidentiel.

Sa tsy ny rano no miakatra fa i Gasikara no milentika ?

Hatreto izany ny vokatry ny orana mikija dia fianjeran’ny vatobe nikodia teny Ampamarinana ary izao indray dibo-drano ny seranam-piaramanidina. Tsy Honte Nationale intsony ity fa HONTE INTERNATIONALE. Hibaby io henatra goavana io indray ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny Fizahantany na Tourisme manomboka izao.

Inona indray ny manaraka ?

Anonymous

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
50%
J'adore
0%
WOW !
0%
Haha
0%
Je n'aime pas
50%
C'est triste