Vaovao farany nampivarahontsana ny maro izy ity. Tampoka tsy nampoizina. Ny orana rahateo nikija. Haingana be ny fiparitahan’ny vaovao tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Maro ireo milaza fa vato be makadiry toy ny sprinter no nikorisa avy eny ambony eny, manandrifindrify an’ilay soratra ANTANANARIVO. Ny alin’ny asabotsy 17 febroary, tamin’ny 8 h 15 no nitranga ny voina.


Voamarina avy amin’ny Zandarimariam-pirenena izany, araka ity fanambarana ity :

Fianjerana vato avy eny Ampamarinana

Trano 3 eo Ambanin’Ampamarinana no voatsindrin’ny vato be ka ny 2 potika tanteraka, ary ny iray potika amin’ny ampahany vokatry ny fianjeran’io vato be voalaza eo ambony io ny 17 febrory tokony ho tamin’ny 8 ora sy 15 minitra alina.

Olona 4 no efa nalefa notsaboina eny amin’ny HJRA, naratra tamin’izany.

Razana miisa 5 kosa no efa voasikotra tao anaty trano rava ary mbola manao ny fikrohana sy famonjena izay olona mbola mety ho tototra ao ny mpamonjy voina (pompier, corps de protection civile) sy ny zandary amin’izao fotoana izao.

Efa mandray an-tanana ny fepetra rehetra mikasika ny famonjena sy ny filaminana mahakasika izany noho izany ny tompon’andraikitra ka manainga ny rehetra mba ho tony.

source : Gendarmerie Nationale – Madagascar

Mpamonjy voina - Ampamarinana

Mpamonjy voina – Ampamarinana

Vatobe

Vatobe

Ampamarinana

Ampamarinana

Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Mirary fahasalamana ho an’ireo naratra, arahabaina tsy maty fo aman’aina.

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
0%
J'adore
0%
WOW !
6%
Haha
0%
Je n'aime pas
94%
C'est triste