Nanaitra ny maro ny publication nataon’i pejy BIG MJ Ofisialy omaly :

Très chers amis(es),très chers fans
Durant ces six dernières années, notre amour, à Arnaah et moi, a été NO-LIMIT mais MAGNEVA ne signifie pas éternel.
La flamme nous unissant s’est éteinte, alors, d’un commun accord, nous vous annonçons officiellement notre séparation en bon terme.
Mais notre passion commune pour la musique permettra à notre collaboration de se poursuivre
On vous aime

 


Maro ireo mpankafy no tsy nino, na tsy te hino ilay fisarahana.

Misy kosa ireo mametram-panontaniana ny antony nampisaraka azy roa.

I Arnaah etsy andaniny nandefa publication toa milaza fa mahaleo tena izy, ary mitazona ny toetra maha-vehivavy foana azy.

Fahita matetika amin’ny fianan’ny mpanakanto sy olo-malaza ny fisarahana toy izao. Ny antony miverimberina amin’ireny dia na io resa-bola, na fampirafesana, na tsaho foronina mba hampalaza azy ireo.

Isika malagasy dia mora andairan’ny tsaho, indrindra noho ny fampiasana tsy voafehy ny tambazotran-tserasera.

Vakio koa : VIDEO VAOVAO. Manakiana mafy an’i Marc Tatandraza i Apostoly Tsaratsara

Nisy fanontaniana efa napetrakay ho an’ireo manodidina an’i Big MJ sy Arnaah. Lazaina anao eto raha vao ahitam-baliny.

Ary ianao, inona no heverinao fa antony mety nampisaraka an’i BIG MJ sy ARNAAH ?

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
9%
J'adore
11%
WOW !
19%
Haha
40%
Je n'aime pas
21%
C'est triste