Tratran’ny Polisy ekonomika ilay tompon’antoka

Lehilahy iray 52 taona no voasambotry ny Polisy ekonomika ny alarobia 25 Oktobra 2017 lasa teo tetsy ANOSY, fampiasana taratasy hosoka momba ny fananan-tany no nisamborana azy tamin’izany.

Nisy fitarainana avy amin’ny tantsaha eny amin’iny faritra ANDRAMASINA ALATSINAINY BAKARO iny voarain’ny Polisy Ekonomika etsy ANOSY, izay milaza fa misy olona manao taratasy hosoka momba ny tany any amin’iny faritra iny.


Natao ny fanadihadiana hanamarinana izany, ary napetraka ny vela-pandrika ahafahana misambotra ity lehilahy ity.

Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafatarana fa misandoka ho mpiasan’ny kaominina ALATSINAINY BAKARO izy io ary tsy mpiasan’ny fananantany eny an-toerana velively.

Mampiasa tombokase sandoka an’ny kaominina ALATSINAINY BAKARO izy amin’ny fanatanterahana ny asa ratsiny ary mitonona ihany koa fa « Diplômé d’Etat » amin’ny resaka fananantany.

Mbola nahatratrarana taratasy sy kara-panajariana ny tany moa teny aminy, izay entiny isolokiana ireto tantsaha tsy manan-tsiny.

140 no tantsaha teny amin’iny faritra iny no efa voasolokiny hatramin’izao nahatratrarana azy izao, ka akany vola 300.000Ar ny tanimbary ary 500.000Ar kosa ny tanety. Efa tamin’ny taona 2014 no nanombohany io asa io tao amin’ny kaominina ALATSINAINY BAKARO ka izy izao saron’ny Polisy Ekonomika izao.

Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka hatrany izahay avy eto anivon’ ny Polisim-pirenena amin’ny fizaram-baovao sy fifanomezan-tanana mba hisorohana ireo mpanao ratsy sy hametrahana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Source: Police Nationale

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
100%
J'adore
0%
WOW !
0%
Haha
0%
Je n'aime pas
0%
C'est triste