Raha Antananarivo sy ny tontolo manodidina azy no jerena dia toy izao no azo hamaritana azy : loto, halatra, ady varotra, tahotra, kolikoly, fanenjehana, fitsaram-bahoaka, halatra, fitaka.

Tsy mitsaha-mitombo ny mponina eto an-dRenivohitra ary efa tsy maharaka izany intsony ny foto-drafitr’asa rehetra izay misy. Fa ny tena hita taratra amin’izao raha eny amin’ny sehatry ny varotra no jerena dia ny « ady varotra » no betsaka na halatra aza no varotana.

Namoaka horonan-tsary kely ny « Agence Ako » efa taona vitsivitsy lasa izay, hamintinana ny fiainana hita eto Antananarivo indrindra ny fiadim-barotra rehefa mividy entana. Maro ny olona liana tanteraka ary nanome hevitra mahakasika izany ankehitriny raha naverina nalefa ho hitan’ny be sy ny maro indray ity horonan-tsary ity teo amin’ny fesiboky.



Tao amin’ny pejy « Madagascar Hier et Aujourd’hui » no nahitana ilay horonan-tsary kely amin’ny teny malagasy. Mahaliana no sady mahafinaritra ilay sarimiaina, ary mety hampatsiahy anao ireo fomba fanaon’ny olona andavanandro indrindra fa manodidina ny Analakely : Petite vitesse, Behoririka iny. Koa mitandrema aza fa ny ratsy tsy kely làlana fa ny hanataka ny ao am-paosinao ihany.

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
44%
J'adore
11%
WOW !
33%
Haha
11%
Je n'aime pas
0%
C'est triste