Hary Yvette sy Jaomatana

Hary Yvette sy Jaomatana

Izy no Hary Yvette, mpamokatra fandaharana mikasika ny filatroana sy ny Lamaody. Azo lazaina hoe izy no Tyra Banks antsika malagasy. Anisan’ny mitantana ny fifaninanana Miss Jeunesse Madagascar i Hary Yvette.

Miss Jeunesse Madagascar

Ny Miss Jeunesse Madagascar dia tsy fifaninanana na fandaharana fotsiny ihany fa tetikasa ho fanentanana ireo tovovavy malagasy mba handray andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina.

Mandritra ny fandraisana fitenenana dia angatahina amin’ireo tovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona ireo ny vinavinan’asa kasainy ho atao, ka mahakasika ny sosialy na ny kolontsaina izany. Izay tovovavy mibata ny amboara dia manana herintaona hanatanterahany io tetikasa io.


Cliquez ici pour voter

Miss Jeunesse World

Tovovavy tokana no hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny Miss Jeunesse World izay ahitana an’ireto firenena fito ireto : France, Etats-Unis, Monaco, Suisse, Belgique, Luxembourg ary Madagascar.

Miisa 500 ireo tovovavy nisoratra anarana ny 10 jolay lasa teo. Ankehitriny dia tovovavy 26 sady manja no miketrika, sady taviny no volony, no voafantina hanohy ny fifaninanana.

  • 10-11 juillet : 1er casting (110 personnes), Villa Pradon Antanimena
  • 24 juillet : 2ème casting (53 candidats), Le Pavé Antaninarenina
  • 8 août : 1/2 finale (25 candidats), Espace Yandy By-Pass

Cliquez ici pour voter

Ireo 26 finalistes

Aseho anao ireo tovovavy 26 handray anjara amin’ny Famaranana. Mila ny fanampianao izy ireo. Aza misalasala manao J’aime eo amin’ny sariny raha misy mahafinaritra anao. Tsarovy fa ny safidy (vote) ataonao dia mikaonty 25% amin’ny naoty rehetra. Aza hadino ihany koa manao Partage an’ity lahatsoratra ity, mba ho hitan’ny maro te hanohana ny samy malagasy.

Andao ary (10 pages)

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
63%
J'adore
0%
WOW !
0%
Haha
38%
Je n'aime pas
0%
C'est triste