Anisan’ny tsakitsaky tena ankafizin’ny malagasy ny petisy na pétisse. Amidy eny amoron-dàlana rehetra eny. Mora karakaraina, jereo ato ny fanaovana azy sy ny tsiambaratelo mampatsiro azy. Fotoana atokana : 2 ora sy sasany eo ho eo.

 

Ovy, Kotomila, Tongolo Hasy

Ovy, Kotomila, Tongolo Hasy

1

Akora ilaina

Fatra ho an’olona 6 :

  • Ovy salasalany 10
  • Totokena 1/4 kg (na nofo-trondro, na sardine)
  • Dibera 50 g
  • Tongolo maitso
  • Kotomila
  • Tongolo oignon
  • Tongolo gasy, sakamalao
  • Sira, Dipoavatra, Carry
  • Lafarina 100 g
  • Atody 4
  • Menaka fanendy

2

Fikarakarana

  1. Tapahina roa ny ovy. Arotsaka anaty rano efa nasiana sira. Dia andrahoina miaraka amin’ny hodiny.
  2. Rehefa masaka tsara dia voasana ary potserina mba hahazoana purée.
  3. Tetehina manify ny tongolo maitso sy kotomila. Kikisana ny tongolo gasy. Afangaro amin’ilay purée.
  4. Atsonika ny dibera, araraka ao anaty purée, araho sira kely dia afangaro tsara.
  5. Asio menaka eran’ny sotro ny lapoaly. Arotsaka ny tongolo oignon efa voatetika manify dia manify. Rahefa miova loko dia arotsaka ny totokena. Avadibadika. Vao hita fa mendimendy dia arotsaka ny dipoavatra, carry, sakamalao voakiky ary sira. Afangaro tsara ary avela hangatsiaka. (Azo soloina nofo-trondro na koa sardine ny totokena).
  6. Manomàna lovia iray misy lafarina.
  7. Averimberina ity : Hosorana lafarina ny fela-tànana. Raisina ny ovy tokony ho eran’ny sotro lehibe. Fisahana eo ambony fela-tànana, asiana totokena ao anatiny ary akatona. Volavolaina atao fisapisaka malamalama. Asoka ao anaty lafarina ary atokana. Marihina fa tokony hihosotra lafarina foana ny fela-tànana eto.
  8. Rehefa vita io dia atao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 1 ora.
Petisy manta

Petisy manta

3

Fandrahoana

Kapohina ny atody, tapohina rano kely. (Afaka soloina lafarina sy rano, na lafarina sy ronono)

Afanaina ny menaka. Tsara raha lapoaly na vilany saba no ampiasana, tsy atao be menaka. Asoka ao anaty atody ny petisy dia endasina. Andrasana midorehitra dia avadika. Apetraka ambony « papier absorbant » mba hitsika ny menaka.

Arosoy mafana, miaraka amin’ny salady. Mihinàna finaritra.

Petisy sy salady

Petisy sy salady

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
85%
J'adore
12%
WOW !
0%
Haha
3%
Je n'aime pas
0%
C'est triste