Mpilalao mamiratra ao amin’ny ekipan’ny Manchester City i Leroy Sané.
Nandefa sary mampiseho ny tatouage eo amin’ny vatany izy ny talata teo. Niteraka resa-be teo amin’ny mpankafy azy ilay izy.

Fitiavan-tena tafahoatra

Ny ankamaroan’ny olona rehefa manao tatouage dia sary VOROMAHERY na VATOM-PANTSIKA, na SOAVALY MANANA ELATRA na DAUPHIN. Ny azy kosa dia sariny eo ambony kianja filalaovana no nataony tatouage tao an-damosiny. Ary tsy sary tsotsotra fa ilay sarin’izy tenany mihoraka be avy nampiditra baolina iny.

Tsara ho fantatra fa nataony dika mitovy amin’ilay sariny fony izy avy nampiditra ny baolina faha-5, nandresen’ny ekipany an’i AS Monaco tamin’ny Ligue des champions (Nandresy 5 sy 3, 8ème de finale, volana febroary teo). Na izany aza dia nihintsana ry zareo Manchester City satria resy 3 sy 1 tamin’ny lalao miverina. Mbola i Sané ihany no namono io baolina tokana io !

Jereo ato ireo sary

Nandritra ny efatra andro be izao no nanaovana ilay tatouage hoy ilay mpanao gazety iray!

Tatouage mitapy be

Ankoatra ny sariny manokana eo dia ireto avy no hita eo amin’ilay tatouage : kianja filalaovana baolina kitra, saritanin’izao tontolo izao, andian’ankizy ka ny iray amin’ireo mitazona baolina eny an-tànany, famantaran’andro goavana manondro lera (9ora mahery 02 minitra sy 25 segondra), tarehimarika samihafa 448866 . . .

Inoana fa izy tenany irery angamba no tena mahalala ny dikan’ireo rehetra ireo. Indrisy anefa fa tsy afaka hampiseho ity tatouage be ity eny ambony kianja i Leroy Sané satria araka ny fitsipika dia voarara ny manala maillot mandritra ny lalao rehefa mifaly be fa avy nahafaty baolina ireny.

Jereo ato ireo sary

Merci ! Partagez votre avis !
Votre impression sur cet article ?
25%
J'adore
0%
WOW !
50%
Haha
25%
Je n'aime pas
0%
C'est triste